Fanatanjahantena

Baolina lavalava – Vehivavy Handray ny fifaninanan’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara

Noho ny fivoaran’ny haavo teknikan’ireo vehivavy mpilalao baolina lavalava eto an-toerana no handraisan’i Madagasikara indray ny
fifaninanan’ny ranomasimbe Indianina na “Tournoi de l’Océna Indien” ho an’ny baolina lavalava lalaovin’ny olona fito. Hatao amin’ny faran’ny volana jona ho avy izao na voalohan’ny volana jolay io fihaonana ara-panatanjahan- tena goavana io.

“Ho fantatra miandalana ny andro sy toerana raikitra handraisana izany fifaninanana izany”, araka ny fanazavan-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Handeha hiofana any Japon aloha ireo mpilalao vehivavy. Hanaraka fanazarantena any ireo mpilalao vehivavy miisa roa ambin’ny folo, ny 15 ka hatramin’ny 27 jona ho avy izao.

Sendra R.