Sosialy

Toetr’andro Hihena ny rotsak’orana eto afovoan-tany

Ho maimaina ny andro, ato ho ato, ho an’ny faritra afovoan-tany, raha ny tomban’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Somary hikisaka any avaratra sy avaratra-andrefana ny orana ao anatin’ny telo andro. Rahampitso vao vinavinaina hilatsaka ny orana ho an’ny afovoan-tany. Ho an’ny anio, hisitraka orana tandrifin-drahona ny any amin’ny faritra Sava, Analanjirofo, Toamasina, Betsiboka ary ny morontsiraka Atsinanana. Hahazo orana mety ho arahin-kotroka ihany koa ny any amin’ny faritra Sava, Diana, Analalava, ary Antsohihy sy any Melaky, Menabe sy ny manodidina. Ho maina kosa ny andro amin’ny faritra sisa. Anisan’ny faritra hisitraka orana hatrany koa amin’ny faritr’i Diana, Sofia, Atsimo Andrefana, Ihorombe, Anosy ary Androy.

Fantatra fa antonony kosa ny tombana mety hiforonan’ny rivo-doza, ny herinandron’ny 18 hatramin’ ny 24 marsa ho avy izao.

 

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra