Sosialy

Tan-tsoroka ami’ny fitsaboana Nanolotra fanafody sy fitaovana i Sina

Mitohy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny Sina. Fanafody sy kojakoja ilaina amin’ny fitsaboana mitentina 680 tapitrisa ariary no natolotr’izy ireo tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka teny Ambohidahy, omaly, mba ho fanatsarana hatrany ny tolotra fahasalamana ho an’ny vahoaka malagasy.

Hanohanana ny asa ataon’ny ekipa sinoa sy mpiasan’ny fahasalamana misehatra eny anivon’ny CHRD II Mahitsy, ny CHRD II Vatomandry sy ny CHRR Ambovombe Androy ary ny CHRR Sambava ireto fanomezana ireto. Nanamafy ny masoivohon’ny sinoa eto amintsika Yang Xiaorong ny amin’ny fahavononan’ny firenena sinoa hifanolo-tanana hatrany amin’i Madagasikara manoloana ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana.

 

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra