Tapatapany Tranga samihafa

Rongony marobe

Nodorana, omaly, ireo rongony valo gony milanja efajato kilao tratra tany Ambalasoa Betroka, ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa tsy nisy tratra ny olona nitondra an’ireo zava-mahadomelina noho izy ireo nandositra, vantany vao nahatazana ny mpitandro ny filaminana.