Tranga samihafa

Lalam-baovao Tsarasaotra Mpitondra môtô tra-doza navotan’ ny manamboninahitra ambony iray

Naratra mafy niala mpandeha an-tongotra teny amin’ny lalam-baovao teny Tsarasaotra ny lehilahy iray nitondra môtô, omaly tolakandro. Sendra nitondra fiara nandalo teny amin’iny lalana iny ny jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (Seg), no nahita an’ity lehilahy tra-doza teo amin’ny arabe. Nijanona avy hatrany nijery akaiky ilay tra-doza io manamboninahitra ambony io.

« Tsy nisy nijanona namonjy ilay tra-doza ny fiara nandalo teny amin’iny lalana iny. Avy eny Ivato ny Seg no nahita an’ilay lehilahy nihoson-drà teo amin’ny arabe. Tsy nahatsiaro tena izy, ka noentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana iray teny Anosivavaka », hoy ny fanazavana avy amin’ny Zandarimaria.