Sosialy

Fiparitahan’ny kitrotro Nihena ampahatelony ireo zaza voatery nampidirina hopitaly

Mitohy ny ady amin’ny aretina kitrotro. Nahitam-bokany ny hetsika fanaovam-baksiny hisorohana ny fiparitahan’ity valanaretina ity, satria nihena ampahatelony ny zaza voatery nampidirina hopitaly. “Raha nahatratra roa arivo ny zaza voan’ny kitrotro tsy maintsy nampidirina hopitaly tao anatin’ny efatra herinandro lasa izay, dia nihena ho eninjato izany, tamin’ny herinandro lasa teo”, hoy Rakotonirina Julio,
minisitry ny Fahasalamam- bahoaka teny Ambohidahy, omaly.

Voalaza teny an-toerana fa nihatsara ny fanaovam-baksiny tamin’ny volana janoary lasa teo satria zaza miisa 1 184 450 no vita fanefitra. “Nihazakazaka nanao vaksiny ny zanany avokoa ireo ray aman-dreny. Tratra ilay tanjona 95% noenjehina. Tafakatra hatrany amin’ny 102,04% ny tahan’ireo zaza vita vaksiny tamin’ ireo distrika miisa roa amby roapolo”, araka ny fanamarihan’ny talen’ny foibem-pitantanana momba ny vaksiny, ny dokotera Ramamonjisoa Christiane Bodohanta.

Vaksiny faobe

Hitohy indray ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina kitrotro andiany fahatelo ho an’ny zaza 6 hatramin’ny 9 taona miisa efatra tapitrisa, ny 25 marsa hatramin’ny 5 avrily ho avy izao manerana ireo distrika ambiny miisa fito amby enimpolo. Fanamafisana ny hery fiarovan’ireo zaza ireo izany na vita vaksiny na tsia.

Milaza ny handray fepetra manokana amin’ireo zaza tsy vita vaksiny mihitsy ny minisitera ka hanokana herinandro hifantoka amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza izy ireo, ny 23 avrily ho avy izao. “Tsy vaksiny miaro amin’ny kitrotro ihany no hatao fa vaksiny miaro amin’ny aretina maro. Afaka hanao vaksiny isan’andro avokoa ireo tobim-pahasalamana manerana ny Nosy”, raha ny nambaran’ny minisitra.
Midina ifotony ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, amin’izao fotoana izao, amin’ny fanentanana sy fampianarana ny vahoaka amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina kitrotro. Mbola manan-kery ihany koa ny laharana maitso 910 ahazoan’ny tsirairay maka fanampiana, torohevitra sy fanohanana ary torolalana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra