Sosialy Tapatapany

Fanampiana Koreanina

Nitsidika ny distrikan’i Farafangana ny delegasionin’ ny masoivoho Koreanina ho an’ny firaisambe iraisam-pirenena (Koika) ka nijery ifotony ny asa notantanin’ny sampan’ny Firenena mikambana miahy ny reny sy ny zaza (Unicef) mikasika ny rano, sy fihadiovana sy fidiovana. Mba hahafahany manombana ny famatsiam- bola ho an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny Unicef amin’io sehatra io no anton’izao fitsidihana ny EPP sy ny CSB tao Mahiakoho, kaominin’Amporoforo izao.