Tranga samihafa

Fanafihana tetsy Ankorondrano Mpirahalahy niara-nogadraina eny Tsiafahy

Roavavy sy roalahy ireo voarohirohy tamin’ny fanafihana trano lehibe iray tetsy amin’ny « Village des jeux » Ankorondrano, ny alahady 10 marsa lasa teo. Mpirahalahy izy roalahy izay samy naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy. Notazonina vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny vehivavy roa, rehefa natolotra ny Fampanoavana tetsy Anosy, afak’omaly. Vadin’ny iray amin’izy mirahalahy ireo ny vehivavy iray. Mpanampy an-trano tao amin’ilay voatafika kosa ny vehivavy faharoa. Voatondro ho niray tsikombakomba izy efatra ireo. Nisy ny mpanome vaovao an’ireo olon-dratsy. Ny sasany nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana.

Firavaka sarobidy niaraka tamin’ny solosaina roa sy finday ary vola dimy tapitrisa ariary no voaroba, tamin’io marainan’ny alahady io. Norahonana sy nambanana basy sady voadaroka ny tompon-trano. Lehilahy efatra nitondra basy poleta roa no nanatanteraka ny fanafihana.