Raharaham-pirenena

Boriborintany faharoa Hamerina ny hasin’ireo vakoka ny kandidà Andriantsitohaina Naina

Fokontany miisa fito eo anivon’ny Boriborintany faharoa indray no notsidihin’ ny kandidà Andriantsitohaina Naina, omaly. Isan’izany ny fokontanin’i Manjakamia­dana sy Ambohimitsimbina.

Nangataka ny hamerenana ny hasin’ireo vakoka rakitry ny tantara tamin’ny kandidà Andriantsitohaina Naina ireo mponina ao
amin’ireto fokontany ireto.

Naneho ny fahavono­nany hanatanteraka an’izay hetahetan’ny mponina izay avy hatrany izy. Ankoatra izay, fotodrafitrasa maro, toy ny fanamboarana ny tsenan’Ambanidia sy ireo lalankely manodidina an’iny fokontanin’ Anjohy iny no mila fanavao­zana tanteraka, araka ny fanga­tahan’ireo mponina hatrany. Eo ihany koa ny fanamboa­rana toerana fanasan-damba sy paompin-drano.