Fanatanjahantena

Basket amin’ny tora-pasika Hiady ny tapakila ny ampahefa-dalana i Madagasikara

Ady mafy no atrehan’ny ekipam-pirenena malagasy eo amin’ ny basket-ball lalaovin’olona telo, sokajy vehivavy latsaky ny telo amby roapolo taona, anio. Mila mandresy ireo mpilalao brezi­lianina izy ireo anio vao ho tafakatra amin’ny dingana ampahefa-dalana amin’ny lalao maneran-tany amin’ireo taranja lalaovina an-torapasika na “World Beach Games 2019”, any Doha, Qatar. “Tokony ho tafavoaka mpandresy ireo mpilalao malagasy raha ny vokatra azon’i Brezila hatreto”, hoy Randrianarivelo Jean de Dieu na i Deda, isan’ny mpanazatra nanaraka ny fanomanana ny ekipam-pirenena.

Mitovy hatreto ny vokatra azon’i Madagasikara sy i Brezila. Samy efa nahazo fandresena tokana sy faharesena iray ny ekipa roa tonta. Nandresy an’i Mongolia tamin’ny isa 21 noho 10 ireo mpilalao brezilianina raha toa ka tamin’ny isa 11 noho 10 no nivoahan’i Madagasikara ho mpandresy. Niondrika teo anatrehan’ireo Nerlandey avokoa na ireo Malagasy (17 noho 3) na ireo brezilianina (16-11). Nilaza hatrany ity teknisiana ity fa: “tokony hifoha ny ekipa malagasy, ka hiady ny tapakila
amin’ny dingana famaranana”.