Tranga samihafa

Hosoka Ben’ny tanàna roa voasoloky 27 tapitrisa ariary

Niharan’ny fisolokiana nataon’ny lehilahy iray nilaza ho manana merkiora ny Ben’ny tanànan’ireo kaominina Ianabinda sy Ivahona ary ny lehiben’ny fokontany Analasoa. Very vola mitentina 30 tapitrisa latsaka kely ireo olona telo voafitaka ireo. Voasambotra tany Betroka ihany, tamin’ny alin’ny 12 septambra lasa teo, iry mpisoloky. “Nametraka fitoriana momba an’io lehilahy milaza ho manana merkiora io ny Ben’ny tanànan’Ianabinda sy Ivahona, samy ato anatin’ny distrikan’i Betroka. Nandritra ny fisavana ny tranon’ilay voarohirohy no nahasaronana tavoahangy iray feno asidra, izay ataony tsara fono sady lazainy fa merkiora ary amitahany ny olona. Nahazoany 12 tapitrisa ariary ny Ben’ny tanànan’Ianabinda ary 15 tapitrisa ariary tany amin’ny Ben’ny tanànan’Ivahona”, araka ny angom-baovao avy amin’ny zandarimaria any Betroka. Vola valo hetsy sy roa tapitrisa ariary indray no lasan’iry lehilahy voasambotra tany amin’ny lehiben’ny fokontany Analasoa. Efa nofotorana tao amin’ny tobin’ny Zandarimaria any Betroka, hatramin’ny omaly, io voatondro ho mpisoloky io.