Raharaham-pirenena

Fivoriamben’ny firenena mikambana Ampitain-davitra ny kabary hataon’ireo Filoha

Hiavaka tsy tahaka ny mahazatra hatramin’izay ny fivoriambe faha-75 an’ny Firenena Mikambana (NU), manomboka anio, any New-York (Etazonia). « Hatao amin’ny alalan’ny tafatafa mivantana amin’ny fahitalavitra (visioconference) ny fifanakalozana sy ny kabary mandritra ny fivoriana », araka ny fampitam-baovao avy amin’ny NU, omaly.

Efa atao rakitsary mialoha ary halefa mandritra ny fivoriana hatrehan’ny besinimaro amin’ny alalan’ny « visioconference », manomboka amin’ ny 22 septambra 2020, ireo kabary. Isan’ireo handray anjara amin’izany ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. « Mbola tsy voafaritra anefa ny fotoana handefasana an’io fandraisam-pitenenana io », araka ny loharanom-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Malagasy.

Voalaza fa mety ho tafiditra ao anatin’ny kabariny ny fitakiana ny famerenana amin’i Madagasikata an’ireo nosikely manodidina na « Iles éparse », ankoatra ny ady amin’ny valanaretina Covid-19.