Sosialy

Fitaterana Afaka mandeha alina ireo taksiborosy lavi-dalana

Afaka mandeha amin’ny alina ireo taksiborosy lavi-dalana amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly, na dia ao anatin’ny ora tsy fahafahana mifamezivezy intsony aza, araka ny tapaka tamin’ny fivorian’ny Foibe fibaikoana amin’ny ady amin’ny Covid-19 (CCO), tamin’ny herinandro lasa teo.

“Tsy maintsy mandeha amin’andiany kosa ireo fiara fa tsy mahazo mandeha irery. Tsy mijanona ny fiara eo anelanelan’ny amin’ny 11 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina sady tsy mandray olona ary tsy manala olona mba hanajana ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, any amin’ny tanàna lalovany”, hoy ny jeneraly Reribake Jeannot, tale jeneralin’ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tanety.