Sosialy

Fanadinam-panjakana Naharay ny laza adina BEPC ireo Dren dimy ambin’ny folo

Mitohy ny fanomanana ny fanadinam-panjakana BEPC hotanterahina, amin’ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra ho avy izao, manerana ny Nosy. Foibem-paritry ny fanabeazam-pirenena (Dren) dimy ambin’ ny folo amin’ireo roa amby roapolo no efa naharay ny laza adina, hatramin’ny omaly, araka ny tatitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Anisan’izany ny faritra Analamanga, Sofia, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, Bongolava, Atsinanana, Diana, Analanjirofo, Ihorombe, Menabe, Boeny, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania ary Vatovavy Fitovinany.

Navantana avy hatrany eny anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena ireo laza adina ireo mialoha ny hizarana azy eny anivon’ny foibem-panadinana tsirairay, mba hahazoana antoka amin’ny fiarovana azy. Tsiahivina fa iraisana ny laza adina manerana ny Nosy ho an’ny BEPC, amin’ity taona ity