Fanatanjahantena

Baolina kitra – Lalaon’ny CAF Horesahina faramparany ny Fosa Juniors sy ny Cnaps Sport

Andrasana hatrany ny fanendrena ireo klioba roa hiatrika ny fifaninanana kaontinantaly taranja baolina kitra amin’ny taom-pilalaovana 2020-2021 na dia efa amin’ny 20 oktobra aza ny fe-potoana farany handraisana ny anaran’ireo solontena rehetra. Milaza hiverina haka ny hevitry ny klioban’ny Fosa Juniors sy CNaPS Sport, izay tokony hisolo tena an’i Madagasikara, araka ny lalànan’ny fifaninanana ho an’ny klioba, noho ny tsy fahavitan’ireo fifaninanam-pirenena teto amintsika ny FMF. Samy maneho ny fisalasalany amin’ny fahafahana mandray anjara anefa ny roa tonta. « Manoloana ny faha-sarotana, hisy fivoriana hotanterahin’ny vaomieran’ny fifaninanana eo anivon’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra na FMF sy ireo klioba rehetra voakasika amin’ireo fifaninanana ireo, handinihana ny fomba rehetra mba hananan’i Madagasikara solontena amin’ireo lalaon’ny CAF ireo », hoy ny loharanom-baovao iray avy ao amin’ny FMF. Mandalo fotoan-tsarotra avokoa ireo klioba vaventy eto Madagasikara, ankehitriny, noho ny krizy nateraky ny Covid-19. Isan’ny fototry ny olana ny hoenti-manana ara-bola. Voalaza koa anefa fa izay klioba manambola hiatrehana ny fihaonana no halefa hisolo tena an’i Madagasikara, raha tsy manana ny fahafahana amin’ izany ireo ekipa voatendry.