Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Atahorana ny ain’ilay Gineana iray naratra mafy

Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia omaly no tokony nentina niakatra aty an-drenivohitra ilay lehilahy teratany gineana iray naratra mafy vokatry ny lozam-pifamovoizana nitranga tany Mangidy-Ikalamavony, tamin’ny 12 jolay lasa teo tokony tamin’ny 5 ora maraina. Namoizana ain’olona efatra ity loza ity, ka ny iray tamin’ireo dia teratany gineana iray hafa.

Lasa tany ambany tetezana ny kamiao iray tamin’io fotoana io. Ahiana ho vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza, araka ny loharanom-baovao. Nisy ireo naratra mafy ankoatra ilay teratany vahiny. Ireo fokonolona sy manampahefana tany Ikalamavony no niandraikitra ny fikarakarana ny razan’ilay teratany gineana iray mandrapahatonga ireo namany sy mpiray fiaviana taminy.

 

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra