Tranga samihafa

FANAFIHANA Nodoran’ny jiolahy ny trano sy ireo môtô roa tao anatiny

May avokoa ny fananana rehetra tao an-trano. Rotiky ny afo tsy nisy noraisina ihany koa ny môtô roa. Ankoatra izay, lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary. Naratra ireo olona roa tao an-trano. Ireo no vokatry ny fanafihana tokantrano iray tany Sarotrovana-Andramasina, vao maraina be, ny 12 jona lasa teo.

“Jiolahy valo no nanafika tokantrano iray tany Sarotrovana. Nitondra basy poleta sy basim-borona izy ireo. Volaza fa vao avy nivarotra omby ny tompon’io trano io. Nanapoaka basy indimy ireo mpanafika mba hampitahorana mialoha ny nitsoahany. Teo no nahavoa ireo olona roa tao an-trano”, hoy ny fanazavana azo avy any an-toerana.

Nanenjika ireo jiolahy ny zandary avy ao Ambohi- miadana sy Vohitsarahasina saingy tsy nahitam-bokany.