Tranga samihafa

ASA FITADIAVANA Tra-tehaka ny tovolahy iray mpanera taolam-paty

Nahatrarana taolam-paty telo gony indray tany Vohibendrana Antetezambaro, any Toamasina, tamin’ny talata lasa teo. Nafenina teo anelanelan’ny gonin-tsaribao nitondra ireo taolana saingy tra-tehaky ny zandary misahana ny heloka bevava any Toamasina ihany. Tra-tehaka ny tanora iray 17 taona voalaza fa mpanera ireo taolam-paty. Tratra ihany koa ny mpamaky fasana nahazoana ireo taolana ireo.

Olona enina no tra-tehaka voarohirohy tamin’ity fahatrarana taolan-dava telo gony ity. Fantatra nandritra ny famotorana fa avy any Mahanoro ireo taolana ireo. Ny roa tamin’ireo olona tra-tehaka dia mpaka ireo entana any am-potony izany hoe any Mahanoro. Ny efatra kosa voalaza fa mpanera mpivarotra ireo taolana.

Teo am-pitadiavana mpividy ireo mpanera no noraisim-potsiny izao, araka ny fitantaran’ny kaomandà Rajaohasina Delson Adrien, lehiben’ny sampana misahana ny heloka bevava any Toamasina.