Sosialy

Tontolon’ny asa Tafatsangana ny vaomiera manokana hampihatra ny fiahiana ara-tsosialy

Hiroso amin’ny fampanarahan-dalàna ny orinasa rehetra tsy ankanavaka ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy. Tafapetraka ny vaomiera manokana na “Task force” hijery ny fampiharana ny fisitrahan’ireo mpiasa ny fiahiana ara-tsosialy. “Hatao izay hampiroborobo ny fandrakofana ara-tsosialy hiarahana amin’ny Tahirim-pirenena amin’ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps)”, hoy Ramampy Gisèle, minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, nandritra ny tatitry ny zato andro tao amin’ny minisiterany. Fantatra fa mbola betsaka ireo orinasa tsy mandoa ny latsakemboka any amin’ny Cnaps.

Efa nivadika ho didim-pitondrana kosa ny fampiharana ilay karama farany ambany ho roa hetsy ariary ho an’ireo orinasa tsy miankina. Hisy ny fanamarinana hataon’ireo mpanara-maso ny asa amin’ny fampiharana izany. Mbola miandry ny fanisana, amin’ny alalan’ny fampiasana ilay kajimirindra na “Logiciel Augure” ny an’ireo mpiasam-panjakana.

“Tsy maintsy jerena tsara aloha ny mikasika ny fitantanana ny mpiasam-panjakana, izay vao afaka miroso amin’ny fanatsarana ny karama na ny tombontsoany. Ny minisiteran’ ny Asam-panjakana sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola no tena mijery akaiky momba izany, ary efa eo am-pandinihana ny fandefasana azy any amin’ny departemantan’ ny minisitera rehetra”, araka ny fanampim-panazavan’ny minisitra .

Tsy voafaritra, noho izany, ny daty na ny fotoana hampiharana ny fiakaran’ny karama farany ambany ho an’ireo mpiasam-panjakana.