Fanatanjahantena

Kitra – Fifaninanam-pirenena vehivavy Lavon’ny AC SabNam ny Mifa

Tsy nisy nahatohitra ireo mpilalao baolina kitra vehivavin’ny AC SabNam hatreto, ao anatin’ny dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, taom-pilalaovana 2018, izay hatao eny Carion.

Nanjakazaka hatrany ity klioba avy eny SabNam ity nandritra ny andro dimy efa vita. Nandresy ny MIFA (Analamanga) tamin’ny isa 2 noho 0 ry zareo, omaly. Mbola mitazona ny laharana voalohany hatrany ny AC SabNam miaraka amin’ny isa sivy amby efapolo.Nivoaka ho mpandresy ihany koa ny FC Prescoi (Vakinankaratra) teo anatrehan’ny AS Comato (Atsimo Andrefana) tamin’ny isa 3 noho 1.

Nandavo ny ASOT (Analamanga) ny ASCUF (Haute Matsiatra) (3-0). Lavon’ny ASKAM (Itasy) tamin’ny isa 4 noho 0 ny SOM (Boeny). Mitohy rahampitso eny amin’ny kianja eny Carion hatrany ny fifaninanana.

Sendra R.