Zavakanto

Hetsika an-kalamanjana Mitohy ny fanolorana ny “Street Gospel”

Handray ny andiany fahavalo amin’ny « Street Gospel », karakarain’ny tarika « The Called », ny etsy amin’ny zaridaina Antaninarenina, amin’ny sabotsy 18 mey ho avy izao. « Sehatra iray ifanakaikezanay amin ny olona hitoriana ny tenin’Andriamanitra amin ny fomba mivantana no tena anton’ilay hoe « Street ». Isan’ny tsy ahazoana vokatra mantsy ny tsy fahasahiana manao zavatra mahitsy sy marina ary azon’ny rehetra takarina tsara. Maimaim-poana hatrany izany», hoy ny mpiandraikitra ny tarika.

Haharitra adiny roa ny fampisehoana. Ankoatra ireo hiran’ny tarika hatramin’izay dia haroso amin’io fotoana io ilay hira vaovao « Aza manaiky ». Hivoaka eny amin’ny pejy “Facebook” –n’ny fikambanana, aorian’ny sabotsy kosa ilay hira « Ianao ». Tanora avy amin ny fiangonana samihafa, zandriny sy zokiny, no mivondrona ao anatin’ny tarika . « Hery lehibe ho an’ny fikambanana ny fananana antokom-pinoana samihafa miara-dia ao aminy mba ho mariky ny maha iray ao amin’i Kristy », hoy hatrany ny fanazavana.

V. R.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra