Tranga samihafa

Fikasan-dratsy Tovolahy nilanja sabatra saika hanolana ankizivavy

Voasoroka ny fikasan-dratsin’ny tovolahy iray voalaza fa saika hanolana ankizivavy, 16 taona, tany Antsahalavabe Soavinandriana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitondra sabatra lavalela io tovolahy io teo am-panaovana ny asa ratsiny. Ny fokonolona tany an-toerana no nahatratra azy sy nanolotra azy tamin’ny mpitandro filaminana.

Nalaina am-bavany ilay tovolahy. Fantatra tamin’izany fa noho ny hamamoana no nahatonga ny hevi-dratsiny saika hanolana ankizy. «Nambarany fa notambazany vola sy saika hampiharany ny filàn-dratsiny io zaza tsy ampy taona io. Nisy nahatsikaritra ny fihetsiny. Tonga maro ny fokonolona. Noraisim-potsiny ity tovolahy », hoy ny polisy any Soavinandriana.