Tranga samihafa

Fanendahana Tra-tehaka ity vehivavy nandroba tovovavy

Tadidin’ity tovovavy ny vehivavy nandroba azy teny amin’ny 67Ha, tamin’ny volana marsa lasa teo. Niantso polisy avy hatrany izy. Voasambotra ilay voatondro ho mpanendaka.

Tamin’ny 11 ora antoandro no voaroba teny amin’iny faritra 67Ha iny ity tovovavy, 16 taona, tamin’ny 22 marsa. Vehivavy niara-dalana taminy ihany no nanendaka azy. Norebirebena sy noentina tany an’elankelan-trano izy. Nodarohin’ilay vehivavy avy eo, ka very ny peratra volamena roa sy peratra volafotsy iray.

Nandalo teny amin’ny 67Ha ilay lasibatra, afak’omaly, no nahatazana an’ilay nanendaka azy. Polisy teo akaiky teo no nisambotra sy nitondra an’iry voarohirohy hatao famotorana. Voalaza fa niaiky ho nanao ny asa ratsy io voasambotra io.