Tapatapany Zavakanto

Fahafatesana mpanakanto

Amin’ny zoma ho avy izao no hanatanterahana ny fanaovam-beloma farany sy fandevenana an’i Lalanirina José Laure Parfait, mpanakanto 60 taona, isan’ny nanamaintimolaly ny tarika Zopanage ary namorona ny tarika Vavaka Hira Fiderana (VHF), izay nodimandry afak’omaly. Hiala ao an-tranony etsy Anosipatrana Atsinanana ny nofony, rahampitso amin’ny 6 ora maraina ary any Vatotsara Ankerana Antsirabe II ny zoma 17 mey 2019 no hanitrihana ny razana.