Fanatanjahantena

Basket-ball “Smatch-in” Tsara vokatra ireo tompondaka farany

Nametraka ny fahaizany basketball ireo ny vehivavin’ny Degs sy lehilahin’ny Esmia satria nandresy hatrany, taorian’ireo andro efatra tamin’ny fifaninanana basketball “Smatch-In XXL” eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Izy ireo no nahazo ny amboara tamin’ny taon-dasa.

Nandavo ny mpilalao lehilahin’ny IFT ny an’ny Esmia tamin’ny isa 54 noho 32 omaly. Ny vehivavin’ny Degs kosa ny avy ao amin’ny Inscae tamin’ny isa 39 noho 36. Mitohy hatramin’ny alahady ity fifaninanana iaraisan’ireo sekoly ambony ity.

Sendra R.