Raharaham-pirenena Tapatapany

Akon’ny fampielezan-kevitra

Tsy mitsaha-mitombo ireo karazana fitarainana sy fitoriana ataon’ireo kandidà, indrindra momba ny famoriana olona an-dalambe miteraka fanelingelenana ny hafa sy ny fandefasana hira mafy loatra, ary ny peta-drindrina amin’ ny toerana voarara. Mba nandefa fanentanana tamin’ireo kandidà amin’ny fanajana ny lalàna napetraka kosa ny minisiteran’ny Atitany.