Faritra Sosialy

LISEA TEKNIKAN’I MAHAJANGA Mifandrirotra ireo mpitokona sy ny mpitantana

Raikitra ny savorovoro. Mbola mitohy ny fitokonana ataon’ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha ao amin’ny lisea teknika (LTP) any Mahajanga. Nanambara kosa ny mpitantana ny sekoly fa mitohy ny fampianarana ary miverina mianatra ny mpianatra rehetra, taorian’ny fananganan-tsaina, omaly maraina. Tsy nanaiky niditra ny efitrano fianarana anefa ireo mpianatra sy mpampianatra, araka ny fampitam-baovao.

Mitaky ny fialan’ny talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny mpitantana ny lisea izy ireo. Mbola tsy nisy fijerena ny vahaolana, na efa nisy aza ny tolo-kevitra nomen’ireo mpitokona. Mangataka mpitantana vonjimaika izy ireo hampandehanana ny raharaha, fa raha mbola ireo mpitondra ny lisea ankehitriny ireo no mitantana dia tsy handeha mihitsy ny fampianarana, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mpampianatra. Tokony nanomboka, omaly ny fanadinana faharoa na «contrôle continu», raha ny tetiandrom-pampianaran’ny lisea teknika ao Mahajanga, saingy izao mbola tsy mandeha izao ny fampianarana. Nisy tamin’ireo mpianatra no saika nihoa-pefy, ka nirotsaka nandamina ny mpitandro ny filaminana. Nomarihin’ireo mpitokona ireo fa tsy misy ifandraisany amin’ny savorovoro politika misy eto amin’ny firenena ny raharahan’ny LTP.

Julie Razakarinaivo