Sosialy

ADY AMIN’NY ARETINA Raikitra ny herinandro afrikaninan’ny vaksiny

Voafidy hanaovana ny herinandro Afrikanina momba ny vaksiny i Madagasikara tamin’ity andiany fahavalo ity. Araka ny fanazavan’ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina, omaly, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialin’ny herinandron’ ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny herinandro Afrikanina momba ny vaksiny fa « noho ny ezaka nataon’i Madagasikara amin’ny fanaovam-baksiny zaza dia voafidy isika hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny herinandro Afrikanina momba ny vaksiny ».

Ny ezaka fanatrarana ny tanjona hanafoanana ny aretina lefakozatra izay haingana dia haingana sy ny fahafehezana haingana ny valanaretina pesta farany teo no antony nahatonga an’i Madagasikara hanokafana io hetsika fanaovam-baksiny io.

Araka ny tatitra voaray eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia efa mahatratra hatramin’ny 85% ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto amintsika.

Fanomezana Rasolomahery