Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Kamiao nivadika namono olona roa

Niafara tany anaty hantsana ny zotran’ny kamiao iray, tany Kelivondraka-Ihosy, tamin’ny alin’ny zoma lasa teo. Namoy ny ainy vokatr’izany ny olona roa. Olona roa hafa kosa naratra mafy ary tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ihosy.

Nitsoaka ny mpamily ny fiara taorian’ny loza ka karohin’ ireo mpitandro filaminana hatramin’ny omaly.

Avy any Andriandampy nikasa hihazo an’Ihosy io kamiao io no izao tra-doza izao, araka ny loharanom-baovao. Tsy fantatra izay nahatonga ny loza fa nivadibadika ilay fiara ary niafara tany an-kady. Tovolahy iray, 17 taona, sy lehilahy iray hafa, 35 taona, no niara-maty vokatry ny loza. Ireo olona naratra, izay 29 taona sy 25 taona, dia voalaza fa tsy misy atahorana ny ain’izy reo.