Tranga samihafa

Fitrandrahana volamena Olona am-polony tototry ny tany ao anaty tonelina

Hatramin’ny omaly dia mbola tsy fantatra izay niafaran’ireo lehilahy am-polony mpihady vola­mena, tototry ny tany, any Fenoarivobe, afak’omaly hariva. Olona efatra hafa kosa no voalaza fa efa hita tsy
misy aina intsony.

Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nihotsaka ny tonelina nangadian’izy ireo volamena tany Miadapaonina ao amin’ny kaominina Andriampotsy.“Raha ny fahalalako io toerana nisy ny loza io dia any amin’ny 70 kilaometatra miala ny renivohitr’i Fenoari­vobe. Tao anatin’ny roa taona izay no tsy nisy nampiasa io kariera fangadiana volamena io. Matetika misy orana anefa aty aminay tato anatin’ny andro vitsy nisesy izay. Noho izay rehetra izay no mety ho antony nampihotsaka ny tany avy aty ambony ka nanototra ny tonelina hatrany ambany nisy ireo olona am-polony ireo. Nisy efatra efa azo, omaly, araka ny fampitam-baovao azoko avy any amin’ilay toerana saingy efa tsy nisy aina intsony ”, hoy Razafindra­lam­bo Eddy Mandimby, Lehiben’ny distri­kan’i Fenoarivobe.

Nilaza ihany koa ity tompon’andraiki-panjakana ity fa: “tsy fantatra mazava ny isan’ireo olona tototry ny tany hatreto. Momba ny toerana nisy ny loza ihany koa dia mbola misafotofoto satria
betsaka ireo toerana misy kariera any amin’io toerana io. Vokatr’izay antony izay no antony nandefasana iraka any an-toerana miaraka amin’ny zandary mba hijery ny zava-misy tena marina”, hoy izy.