Raharaham-pirenena Tapatapany

Fifaninanam-panjakana

Amin’ny 25 hatramin’ny 27 avrily ho avy izao no hotanterahina ny fifaninanam-pirenena hidirana ao anatin’ny Fitantanan-draharaham-panjakana manerana ny Nosy. Dimy arivo sy iray alina no isan’ireo Malagasy hifaninana izay miparitaka manerana ny Nosy. Ho an’ireo kandidà eto Analamanga dia fantatra fa efa afaka maka ny taratasy fiantsoana azy eny amin’ny Ivon-toeram-pirenena manofana ho mpiasam-panjakana (INFA) Androhibe izy ireo, manomboka anio.