Zavakanto

Fampitambarana talenta Nambabo ireo mpijery ny mozikan’ny tarika « Tradmix »

Nisitraka ny seho miavaka natolotry ny tarika “Tradmix” ireo mpankafy tonga tetsy amin’ny efitranon’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo, ny zoma teo. Nizara ny zavakanto miavaka kely ity fikambanana mpanakanto ahitana an’i Do B, mpanao “Beatbox”; Rôla Gamana, mpitendry mahafehy zavamaneno maro mivoy gadona bà gasy, Tiana Rainitelo, mpidoboka ampongamaroanaka, ary Monja Manintsindava, mpitahiry vakoka Antandroy ity.

Sanganasa noforonina mba hoentina hamelomana indray ny fitiavan’ireo Malagasy ny gadon-kira misy eto Madagasikara no tanjona tamin’izao fiarahana izao.

Mozika manana loko samihafa no nampivadiana ho iray ka nahazoana gadona vaovao. Tsy latsa-danja tamin’ny fampisehoana efa nataon’izy efatra mirahalahy ireto teo aloha ity indray mitoraka ity nefa maro mpankafy hatrany. Hita taratra fa tafalatsaka sahady any am-pon’ny olona ny mozika aroson’ireto mpanakanto ireto na mbola vaovao ho an’ny sofin’ny mpankafy aza izany.

 

Nicoh R.