Tranga samihafa

Voina teny an’arabe Vehivavy iray nitsirara teo an-tsisin-dalana

Manodidina ny telopolo taona ity vehivavy iray nisy nahita nitsirara teny an-tsisin-dalana tany Ambalamasy Toamasina, omaly maraina. Voalaza fa mbola mitempo ny fony, tamin’io fotoana nahitana azy io. Ny fiaran’ny hery vonjitaitran’ny Polisim-pirenena (Fip) any Toamasina no nitondrana azy nihazo ny hopitalibe. Mbola manaraka fitsaboana eny izy, araka ny vaovao heno, omaly hariva.

Nivatravatra ny orana tany Toamasina, afak’omaly alina. Niteraka fiakaran’ny rano izany. Voalaza fa saika dobo rano ny ankamaroan’ny tanàna tany Toamasina. Nisy nampandre ny polisin’ny Fip, omaly maraina, fa misy vehivavy iray tsy mahatsiaro tena teo akaikin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy. «Ahiana ho lenan’ny orana, tamin’iny alina iny, io vehivavy io. Tsy afaka niteny nilaza ny mombamomba azy izy. Tsy nahitana taratasy nahafantarana azy ihany koa teny aminy », hoy ny polisin’ny Fip any Toamasina.