Sosialy

Fotodrafitrasam-pifamoivoizana Hasiana fanamboarana ny lalana eny Andranomahery

Lalana manodidina ny iray kilaometatra mamakivaky ny Fokontany Andranomahery no hasiana fanamboarana. Hatao lalana vita amin’ny rarivato izany raha ny fanazavan’ireo mpiasa amin’ny orinasa manatanteraka ny fanamboarana. Noho ny fangatahana nataon’ny lehiben’ny fokontany no nahatanteraka izao fanajariana fotodrafitrasa izao. “ Efa ho efapolo taona tsy nisy nanamboatra iny lalana iny. Antony iray nanaovanay ny fangatahana ny hanamboarana azy”, hoy Ramanantany Alain, filohan’ny fokontany Andranomahery, omaly.

Nambaran’ireo mponina manamorona ny lalana fa mampijaly ny mpandeha an-tongotra sy ny fiarakodia ny haratsian’ny lalana. Indrindra mandritra ny fotoam-pahavaratra satria tsy maintsy mirobo-drano ireo mpandeha an-tongotra amin’ny faritra sasany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra