Tapatapany Tranga samihafa

Dahalo roa lavo

Maty voatifitra, nandritra ny fifandonana, ny roa tamin’ireo dahalo folo nangalatra omby, tany Ikalalao Ambohimahasoa, ny alatsinainy lasa teo. Tafaverina avokoa ny omby efatra very, tamin’izany fotoana izany. Nahitana basim-borona vita tanana iray teny amin’izy roa lahy maty.