Sosialy

Fandalovana rivo-doza Hiditra anio any atsinanan’ny Nosy i « Fransisco »

Anio no tombanana hiditra  an-tanety any atsimon’ny distrikan’i Mahanoro ilay rivo-doza “Francisco”. Tany amin’ny 78km atsinanan’i Vatomandry no nisy ny foibeny, omaly tamin’ ny efatra ora hariva.

“ Mikisaka mianatsino andrefana ny diany ka mahafaka 09km isan’ora. Mahatratra 55km isan’ora ny rivotra miaraka aminy. Arahina tafiotra manodidina ny 75km isan’ora ihany koa io rivo-doza io”, araka ny fanazavan’ny teknisianin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, omaly. Nanamafy ny tsy hiovan’i “Fransisco” ho rivo-doza matanjaka ny mpamantatra ny toetr’andro, saingy mila mitandrina noho ny habetsaky ny orana ireo mponina naharay filazana loza hatramin’izay.

Vinavinaina hanorana foana ny andro eto an-drenivohitra ato anatin’ny telo andro ho avy. Mbola mitoetra rahateo ny filazana loza miloko maitso amin’ny fanahiana amin’ny fahabetsahan’ ny rotsak’orana eto Antananarivo, raha ny filazana voaray avy amin’ny mpamantatra ny toetr’andro.  Hahitana fidinany ny maripana  hatramin’ny alatsinainy. Manodidina ny 16°C  hatramin’ny 17°C ny maripana ambany indrindra.