Pejy manokana Zavakanto

Fiainana mpanakanto Mitantara ny fahafatesan-jandriny sy ny « Drako hely » i Rijade

Anisan’ny niteraka resabe sy nahatonga fanehoan-kevitra tetsy sy teroa ilay hira “Drako hely” navoakan’i Rijade. Nanomboka tamin’ny andro nivoahan’io hira io, nandalo ny fandraran’ny Minisiteran’ny kolontsaina hatramin’ny fanavaozana azy amin’ny endriny vaovao dia tsy nitsahatra niaka-daza ity mpanakanto ity. Manazava ny fototra niaingany tamin’ny famoronana ny “Drako hely” i Rijade. Ampahafantariny ato koa ny nahatonga azy hanao mozika.

Mpanakanto vao misandratra avy any amin’ny faritra avaratry ny Nosy i Truong Huu Kha Vola Judiane na i Rijade. Nipoitra tao amin’ny fianakaviana mpitendry zavamaneno sy mpikirakira zavakanto izy. Samy nandraisany talenta avokoa na ny lafy avy amin-drainy na ny lafy avy amin-dreniny. Mpitendry gitara, anisan’ny mpikarakara sady namorona hetsika ara-kolontsaina lehibe, toy ny “festival Donia”, ny rain’i Rijade.

Teo amin’ny fahafolo taonany izy no efa nampiakarin’ny Dadany sehatra. Famerenana an’ireo hirana mpanakanto vahiny malaza, tahaka ny sanganasan-dry Lorie, Celine Dion, Michel Sardou…

Azo lazaina fa nandalina mozika ity andriambavi- lanitra ity. Mahafehy ny fitendrena vata maroafitsoka sy ny solfezy izy noho ny fampianarana nomen’ny Raibeny. Nandany andro tamin’ny fihirana sy fitendrena gitara niaraka tamin’ny dadatoany foana ny tovovavy tao an-tranony. Imbetsaka ihany koa izy sy ny zandriny lahy no nisongadina tamina fifaninanan-kira tao Nosy Be, fony mbola ankizy.

Miditra eo amin’ny tontolon’ny fanaovana mozika matihanina i Rijade, ankehitriny. Ny gadona manakaiky ny sofin’ny tarona amin’izao fotoana izao no voiziny, toy ny “rnb”, “ragga”, “dancehall”. Miangaly ny mozika gasigasy, toy ny salegy ihany koa anefa izy.

Fahatsiarovana tsy maty vonoina
Vita sokitra ao am-po amam-panahin’i Rijade ny datin’ny “Alatsinainy mainty”, 26 janoary 2009. Anisan’ireo olona namoy ny ainy nefa tsy hita faty tamin’iny tolom-bahoaka iny ny zandriny lahy antsoina hoe Ricky. “Io no fahatsiarovana ratsy indrindra teo amin’ny fiainako. Very tamin’ireny fahamaizana tranombarotra ireny ny zandriko”, hoy i Rijade mitantara tao anatin’ny alahelo tanteraka.

Tsy nihevitra ny ho lasa mpihira matihanina i Rijade tany am-boalohany na dia nankafy mozika tokoa aza. Io fahaverezan-jandriny io no nanosika azy hirotsaka teo amin’ny tontolon’ny mozika.
“Zavatra faran’izay tian’ilay zandriko ny mihira miaraka amiko. Mavitrika mihitsy izahay mandray anjara amina fifaninanan-kira ary matetika mahazo ny laharana voalohany. Tsy mety afaka tao an-dohako ny fampiaraham-peo nataonay mianadahy. Tapa-kevitra ny hihira aho, taty aoriana, mba hanatanterahako ny nofinofin’ny zandriko”, hoy i Rijade mampahatsiahy.

Ireo rehetra ireo no nampisy an’i Rijade. Nalaina tamin’ny anaran’i Ricky zandriny, ny hoe “Ri”.
Notsoahina avy tamin’i Judiane kosa ny hoe “Jade” (anarana fiantson’ireo olona akaiky an’i Rijade azy).

Fiakarana sehatra voalohany
Mpanakanto tsy mba resin’ny tahotra na novesaran’ny fitaintainana i Rijade, tamin’izy vao sambany namaky sehatra amin’ny maha mpihira matihanina azy. Lehibe teny an-dampihazo izy raha ny filazany.
“Mbola kely aho dia efa zatra mihira eo anatrehan’olona maro. Arakaraka ny maha betsaka ny mpanatrika no mampahazo aina ahy. Tamin’ny fotoana nandraisako anjara voalohany tamin’ny “festival Donia”, ohatra, dia tsy nanana fahasarotana mihitsy ny tenako. Anisan’ny mahafinaritra ahy indrindra ny fahitana an’ireo vahoaka marobe miaraka mihira amiko ka manjary mirakitra fahatsiarovana tsara ho ahy”, araka ny nampahafantarin’i Rijade tamin-kafaliana.

Mahavita fampisehoana maro i Rijade rehefa mandalo eto an-tanindrazana. Miaka-tsehatra indroa na intelo isan-kerinandro izy ho an’ny tanàn-dehibe. Mety mihoatra an’izay kosa raha any ambanivohitra. “Miovaova ny karama rehefa miaka-tsehatra satria miankina amin’ny toerana hanaovana ny lanonana (anaty efitrano, ankalamanjana, fety manokana…). Eo koa ny fepetra takian’ny mpikarakara, toy ny hoe mila mpitendry. Tsy izaho no mamaritra ny saran’ny fiakarako sehatra fa ny mpikarakara ahy ara-mozika”, hoy izy manazava.
Mazàna no mihira miaraka amina feon-kira efa voaomana mialoha i Rijade. Misy fotoana anefa izy no maka mpitendry.

Tantaran’ny “Drako hely”
Tsy tongatonga ho azy ilay hira “Drako heky” raha ny fanazavan’i Rijade. Niainga tamina fahitana an’ireny olona manambady teratany vahiny ireny izy io, araka ny filazany. “Tsy tranga niainako ny “Drako hely”. Maro ny olona naneho hevitra hoe “izaho no manao ny ataoko dia ny hafa no ampirisihako hanara-dia ahy”.

Ireo olona akaiky ahy no mahafantatra tsara fa tsy misy idirako iny hira iny. Izaho aza tsy mbola tany Etazonia akory. Nanoratra fotsiny aho dia niparitaka ilay izy. Olona iray izay no nandika vilana ny voalazako tao anatin’ilay hira, ka samy nandrirotra araka izay tiana ny rehetra, avy eo.

Nambarany fa teratany frantsay ny rainy ary mipetraka any Frantsa avokoa ny fianakaviany.
Nohamafisin’ity mpanakanto ity fa tovovavy no antsoina hoe “drako hely”. Lehilahy lehibe kosa ny “jaolahibe” fa tsy taovam-pananahana velively. “Nampiasa sarin-teny aho tao anatin’ilay hira ka betsaka no tsy nahazo azy. Mety nanafintohina olona, ohatra, ilay hoe -ampiasaiko valerako-. Mety ho ny hatsaran-tarehinao anefa izany, na ny tsikinao”, hoy izy.

Fivononana mialoha
Teo am-panoratana an’ilay hira no efa tsinjon’i Rijade fa hiteraka resabe ny “Drako hely”. “Efa nampoiziko fa ho lasa resaka eny anivon’ny fiarahamonina iny hira iny. Tsy noheveriko kosa anefa fa ho tonga amin’ny fandraràn’ny minisitera azy ilay izy. Tsy mampianatra zava-dratsy mantsy aho ao anatiny fa mitantara ny zava-misy. Navoitrako fotsiny fa misy olona tsy manana diplaoma nefa tafita noho ny fahaizany mampiasa an’izay ananany. Ankoatra izay, hira iny dia malalaka ny rehetra amin’ny fomba andraisany azy. Izay no nahatonga ahy tsy namaly an’ireo fanehoan-kevitra be dia be mikasika ny “Drako hely”, araka ny fanazavany.
Na izany aza, nilaza i Rijade fa ilaina ny mianatra saingy hira maneho ny trangam-piarahamonina no nataony.

Fangatahana fanovàna
Tsy nalahelo sady tsy tezitra i Rijade rehefa nilatsaka ny fandraràna ny hirany avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina.
“Nampiantso ahy, hono, ny minisitera saingy noho izaho mipetraka aty ampita no tsy nahafahako namaly ny antson-dry zareo. Noraisiko tamin’ny lafiny tsara ny fanapahan-kevitry ny minisitera.

Nanjary nalaza ny tenako noho ny fandraràna nataon-dry zareo. Laza ratsy, hoy ny sasany, saingy tsy maninona izany fa efa nitombo aloha ny olona mahafantatra ahy”, hoy hatrany izy.
Tsy nikasa ny hiaro an’iny hirany iny i Rijade na nisy aza ny mpahay lalàna naka fanahy azy. Misy antony matoa nandray fanapahan-kevitra ny Fanjakana. Azo avoaka ny “Drako hely” amin’ny endriny vaovao, amin’izao fotoana izao, rehefa nasiam-panavaozana araka ny fangatahan’i Rijade tamin’ny minisitera.

Isaorako ry zareo namela ahy nanamboatra fanindroany an’ilay hira. Nisy olona maro nankafy mantsy izy iny. Niova “Rizika”, izay midika hoe anjara, ilay sanganasa vaovao. Rizika satria nampiaka-daza ahy ary efa mandeha amina haino aman-jery samihafa.

Fahamaroan’ny antso
Nanatsara ny tanjozotra ara-mozika hodiavin’i Rijade ny “Drako hely”, ankehitriny. “Lasa marobe ny mpikarakara lanonana miantso ahy, taorian’ireny zava-drehetra ireny, raha somary nahalana izany teo aloha teo. Araka izany, betsaka ny fiakarana an-tsehatra hotontosaiko aty Frantsa amin’ity desambra ity.

Tsy ho tompon-trano mihono anefa ny mpankafy any Madagasikara fa hanao befiavy any izahay, manomboka amin’ny volana avrily 2020. Miaraka amin’izay, hisy vazo vaovao maromaro hoentina mitety toerana samihafa amin’io taona ho avy io”, raha ny fandaharam-potoanany nampahafantarin’i Rijade, atsy ho atsy.
“Na izany aza, tsy ataoko asa fivelomana ny fanaovana mozika satria renim-pianakaviana manan-janaka vavy, fito taona, ny tenako. Amin’ny fotoam-pialan-tsasatry ny zanako, isaky ny roa volana aho, vao mitsidika an’i Madagasikara sy manao fitetezam-paritra”, hoy i Rijade namarana ny resaka nifanaovana taminy.