Kolontsaina

Lanonana tany Toulouse Nofoanana noho ny olana teknika ny fampisehoan-dry Mage 4

Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona. Tsy afa-manoatra ka voatery nofoanana tanteraka ny fampisehoan’ny tarika Mage 4, nokasaina hatao tany Toulouse, Frantsa, tamin’ny sabotsy 12 oktobra teo, noho ny sembana tsy nampoizina.

Raha ny vaovao nampitain’ny tarika tao amin’ny pejy “Facebook”-ny dia olana teknika no nahatonga ny fana­foanana ny hetsika. “Noho ny fandehanan’ny fitaovam-panairana amin’ny loza tsy ampoizina nateraky ny olana teo amin’ny kilalaon-jiro samihafa teny an-tsehatra dia maty ho azy ny fitaovam-pamatsiana herinaratra. Nananosarotra ny famerenana ny tsy nety ka voatery izahay nanafoana ny fampisehoana. Ny tarika Mage 4 sy ny Ilomboaary ary ny Ivenco mpikarakara dia maneho ny fialan-tsiny noho izao sampona tamin’ny ora farany izao”, hoy ny fanambaràna nataon’ny tarika tao amin’ny tambajotra sosialy “Facebook”, omaly maraina. Tsy sitraky ny mpanakanto sy ny mpikara­kara, indrindra fa ireo mpankafy any an-toerana anefa ny nana­foanana iny fampisehoana iny. Noho izany indrindra, dia manome fotoana ireo mpankafy any Toulouse ry Ken sy ny tariny mba hanjohy azy ireo any Avignon indray amin’ny 1 novambra 2019.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao