Nampitambatra ny tsara rehetra. Nampihovitroitra ny sehatry ny lapan’ny Kolontsaina Mahamasina i Dadju, tamin’ny zoma 11 oktobra lasa teo. Nafana tanteraka ny lanonana satria samy feno olona na ny teny an-tsehatra na ny toerana nisy ireo mpijery.
Tonga nanotrona an’ity mpanakanto frantsay ity ny sokajin-taona rehetra. Tsikaritra ho maro an’isa kosa ny ankizy sy ny tanora. Namaky lanitra ny horakoraka nandraisan-dry zareo an’i Dadju teo am-piakarana ny lampihazo. Hatramin’ny lehilahy sy vehivavy lehibe aza nangitakitaka daholo.
Fanamafisam-peo maromaro no nalahatra ka nanome aina sy fampisehoana, ankoatra ireo kilalaon-jiro sy ravaka samihafa. Nankafizin’ny mpijery ny fiarahana tamin’ity mpanakanto tian’ny tanora ity sy ny ekipany, izay niezaka ny nifehy ny sehatra izay hita fa goavana tokoa raha oharina tamin’ny isan’izy ireo.
Fahombiazana ny seho nataon’i Dadju, raha fintinina. Marihina fa tamin’ity indray mitoraka ity indray vao nisy mpanakanto avy any ivelany ka nahafeno hipoka toeram-pampisehoana teto amintsika. Tsy mahagaga, noho izany, raha nahabe resaka ireo mpikirakira ny tambajotran-tserasera iny lanonana iny.
Feno tsy nampoizina
Tsy nandiso fanantenana ny mpanotrona ihany koa ny mozika nentin’i Shyn, izay vahiny nasaina manokana hanafana ny ampaham-
potoana voalohany. Teo am-panombohana dia efa tsikaritra sahady fisian’ny rohy mamatotra an’ity mpanakanto ity sy ny mpijery. Niarahana nivetso avokoa ny hira rehetra nianga teny an-tsehatra. Nanome endrika nahafinaritra ny seho ny soradihy niangalian’ireo mpandihy efatra mianadahy.
Tolotra tsy nampoizin’ny rehetra ny nampiakaran’i Shyn an’i Denise vadiny, nandritra ny fandraisany anjara. Vao mainka nampiakatra ny hafanana teny amin’ny mpijery ny fahitana azy mivady, teny an-tsehatra.Niezaka nanome ny tsara avy aminy kosa i Denise nandritra izany.
Hanome hevitra