Samihafa Tapatapany

Fikasan-dratsy

Voasoroka ny fikasan-dratsy hamaky trano saika nataon’ity lehilahy iray voasambotra tany Androhibe Ambanja, tamin’ny talata lasa teo. Sarona nandritra ny fisavana ny fiara mpitatitra iray ny basy vita tanana sy kara-panondro hosoka roa ary karazana fanalahidy teny amin’io lehilahy io. Tamin’ny fakàna am-bavany azy no nilazany fa saika hamaky trano izy no izao tra-tehaka izao.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra