Samihafa Tapatapany

Fahatrarana fiara halatra

Hita, volana maromaro taty aoriana, ny fiara tsy mataho-dalana iray efa very nandritra ny fanafihana niseho tao an-tranona teratany sinoa, tamin’ny volana desambra 2018. Namidin’ireo olon-dratsy folo tapitrisa ariary tamina lehilahy mpividy môtô sy fiara io fiara very io. Sarona izany ary voasambotra ilay nividy entana halatra sady voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy.