Samihafa

Disadisam-piarahamonina Mpianaka namoy ny ainy voatifitra teny an-dalana

Nirefodrefotra ny feom-basy tany Antanimbaribe, kaominina Ankerana Avaratra, distrikan’i Tsiroanomandidy, tamin’ny alin’ny alakamisy 5 septambra lasa teo. Namoy ny ainy voatifitra ny lehilahy roa, mpianaka, 46 taona sy 21 taona.
Teny an-dalana nody hariva avy tany Tsiroanomandidy izy ireo no niharam-boina, tamin’io fotoana io. Nandositra ny olona nitifitra ka mbola karohina hatramin’izao.

Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny tompon’ny basy nitifirana azy mianaka izay voalaza fa lehiben’ny fokontany iray any an-toerana, rehefa natolotra ny Fampanoavana, omaly.

«Tafody hariva ny olona dimy, izay nahitana mpianaka roa lahy sy lehiben’ny fokontany ary vehivavy roa, tamin’io alin’ny alakamisy io. Niantso olona avy any an-tanàna mba hitsena izy ireo. Nitondra basy ireo mpitsena noho ny tahotra sy ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra iny. Nitifitra anefa ny iray tamin’ireo mpitsena, teo amin’ny toerana telo kilaometatra tsy hidirana ao an-tanàna. Niantefan’ny bala ireo mpianaka», araka ny fanampim-baovao avy amin’ny zandary any Tsiroanomandidy.

Heverina ho noho ny disadisa sy lonilony no nahatonga io fitifirana nahafaty io olona.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra