Kolontsaina

Lalaon-tsaina Échecs Mikendry fandresena iraisampirenena Rakotomaharo Fy

Manam-paniriana hisalotra ny anaram-boninahitra iraisam-pirenena na ny “Grand maître international” eo amin’ny lalaon-tsaina Echecs, Rakotomaharo Fy. Fifaninanana telo lehibe no tsy maintsy hatrehiny raha te ho tonga amin’io tanjona io izy.

Sarotsarotra ny hahazoany ny isa na « élo » takina saingy hiezaka mafy ny tovolohay hahatrarana ny 2 500 élo, araka ny nambarany. Fantatra fa miisa 2 422, amin’izao fotoana izao, ny “élo” ananan’i Fy raha toa ka mahatratra  2 870 ny an’ilay laharana voalohany manerantany. Marihina fa tsy tontosa ilay fihaonana nokasaina hatao, nanomboka tamin’ny 27 jolay hatramin’ny 15 aogositra 2020 any Serbia, noho ny krizy ara-pahasalamana maneran-tany. Fifaninanana tokony ho nandraisan’i Fy anjara hakana isa hahazoany ny anaram-boninahitra “Grand maître international” izany. Misy hatrany anefa ny fihaonana an-tambajotran-tserasera nandraisan-dRakotomaharo Fy anjara. Norombahiny tamin’ny isa 9/9, ohatra, ny fandresena tamin’ny fifaninanana “Fide Online Olympiade” farany teo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao