Tranga samihafa

Vono olona tany Ankazobe Mpandraharaha iray naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika, eny Antanimora, afak’omaly alina, ny mpandraharaha iray mpividy vary any Ankazobe sy ireo namany roa lahy. Voarohirohy ho namono mpandraharaha iray hafa tany Anabohazo-Kiangara ireo olona telo ireo.

Voalaza fa nokaramaina iray tapitrisa ariary ireo olona roa tompon’antoka mivantana tamin’ity vono olona ity. « Tany am-pividianana vokatra io mpandraharaha lasibatra io no nisy nitifitra. Namoy ny ainy teo no ho eo izy. Nidina avy hatrany tany amin’ilay toerana izahay rehefa naheno ny zava-nitranga. Voasambotra tamin’io fotoana io ihany ireo olona roa nitifitra niaraka tamin’ny basimborona nitifirana an’ilay mpandraharaha. Nilaza ireo namono fa io mpandraharaha io no naniraka sy nanakarama azy ireo”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny Zandarimaria, any Ankazobe.

Nanamora ny fisamborana an’ireo olona voampanga ireo ny hetsika manokana ho fampandriana fahalemana ataon’ireo zandary ao anatin’ny Vondron-tobim-paritra Analamanga, efa andro vitsy lasa izay.