Kolontsaina

Vazom-pitiavana Hamintina ireo taona maro nodiaviny i Njakatiana

Tsy ho latsa-danja amin’ireo fety aman-danonana hitranga atsy ho atsy ny fiarahana amin’i Njakatiana. Hiakatra ny lampihazon’ny Plaza, etsy Ampefiloha, ity mpanakanto ity amin’ny zoma 30 aogositra 2019 ao anatin’ilay fampisehoana “Ilay toera-mamy”.

Nambaran’ity mpikalo ny hiran’ny fo ity fa hanome ny tsara indrindra avy aminy izy miaraka amin’ireo mpitendry ary ireo mpanao feo lafika mpiara-dia aminy.

Eo amin’ny lafiny fandaharan-kira, dia hiverenana avokoa ireo vazo rehetra niangalian’i Njakatiana nandritra ny dimy amby roapolo taona nilomanosany tao anatin’ny tontolon’ny mozika. Hivimbina ny hiaka farany amin’ireo hirany ihany koa izy, mandritra ny fiarahana. Tafiditra ao anatin’izany ilay hira hoe “Ny ahy”, vazo somary mihetsika vao nivoaka tamin’ny taon-dasa, mifanakaiky amin’ny nahafantarana azy tany amin’ny taona 90. Sanganasa manome fofona sahady ny fanomanan’ny tarika ny rakikira vaovao izao. Nampanantena ity mpihira manana feomanga sady miavaka ity fa seho raitra sy kanto ary hiavaka amin’ny haingon-tsehatra sy lafiny teknika no harosony ho an’ny mpijery ho avy etsy Ampefiloha.