Kolontsaina Tapatapany

Hira Vaovao

« Ampela » no anarana isaloran’ilay hira vaovaon’i Shyn. Miavaka kely amin’ny mahazatra hatramin’izay io sanganasany io raha ho an’ity mpanakanto ity satria natokany hiadiana sy hanentanana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Maro tokoa ireo vehivavy iharan’ny fikasihan-tanana eny amin’ny fiarahamonina, izay tranga hita manerana an’izao tontolo izao. Entaniny handray andraikitra manoloana izany, ao anatin’ny hira, ireo mpankafy azy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra