Faritra

Valanaretina avy amin’ny moka Mamono olona maro any Atsimo ny tazo

Hadinodino ny fijerena an’ireo mararin’ny tazomoka. Mitombo isa ihany koa anefa ny olona efa namoy ny ainy any amin’ny faritra Atsimo.

Mahafaty olona efatra isaky ny kaominina ny tazo mahery, amin’izao fotoana izao, araka ny vaovao avy amin’ireo manam-pahefana, any Betroka.  Ao amin’ny kaominina Mahabo no betsaka maty indrindra, satria tafakatra telopolo. Miandry ny fandefasana fanafody any an-toerana ny mponina satria saika tsy manana fanafody avokoa ny hopitaly, ankehitriny.

« Maro no mamoy ny ainy any anaty fiarahamonina fa tsy any amin’ny hopitaly. Tsy latsaky ny dimy ireo nindaosin’ny fahafatesana isaky ny kaominina, izay miisa roa amby roapolo. Be dia be tokoa rehefa atambatra ireo tarehimarika ireo. Hanaovanay antso avo ny fandefasana fanafodin’io tazo io ary mila hatao betsaka satria tena tsy ampy mihitsy. Tokony ho tonga haingana ihany koa ny lay misy odimoka satria izay ihany no vahaolana maika hiarovana ny ain’ny olona », hoy Randrianasolo Nicolas, solombavambahoaka any Betroka.

Maherin’ny roanjato ireo ankizy matin’ny tazomoka tany amin’ny faritra Androy, araka ny nambaran’ny loholona avy any amin’ny faritra Atsimo, Faberger Mamitiana.  Tao anatin’ny roa volana no tena namono olona be indrindra tany amin’ny disitrikan’i Bekily sy Betroka ity valanaretina ity.

An-kilany, nolazain’ny minisitry ny Fahasalama-bahoaka, ny profesora Ahmad Ahmad fa tsy maintsy hatrehina tokoa ny ady amin’ny valanaretina tazomoka, tahaka izay atao amin’ny coronavirus. Handefa fanafody amin’ireo tena hianjadian’ny valanaretina ry zareo. Hisy ny fidinana ifotony hataon’ny ekipan’ny minisitera amin’ny fanomezana fitsaboana maimaim-poana an’ireo olona marary.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao