Manao ny fanadihadiana amin’ny fikarohana an’ireo olon-dratsy nanafika sy namono olona telo mianaka tany Isoanala Betroka, tamin’ny harivan’ny alahady 10 mey lasa teo, ny zandary any antoerana. Voasambotra ny lehilahy iray voatondro ho naniraka an’ireo jiolahy. Mitohy ny fitadiavana an’ireo tena nanatanteraka ny famonoana.
« Tsy fanafihan-dahalo toy ny fahita mahazatra no niseho tany Isoanala, tamin’iny alin’ny alahady iny, fa tombanana ho adim-pianakaviana na resaka ady tany. Mifankahalala amin’ireo niharam-boina ilay voasambotra », hoy ny zandary any Betroka izay mandray an-tanana ny famotorana any Isoanala.
Nitady ny basim-borona tao amin’ny trano notafi- hiny no tena anton-dian’ireo jiolahy. Nitifitra izy ireo, vantany vao tafiditra tao an-trano ka ny raim-pianakaviana iray, 55 taona, no nokendrena. Voan’ny bala ny zazalahikely iray, efa-taona, izay zafikelin’ilay lehilahy nokendrena notifirina. Notifirin’ireo jiolahy ihany koa ka maty tsy tra-drano ny zazalahy iray, valo taona, tao an-trano. Noentin’izy ireo tany an-tokotany, avy eo, ilay raim-pianakaviana. Tifitra ihany koa no nahafaty azy. Namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly ilay zaza voatifitra voalohany.
Hanome hevitra