Tranga samihafa

Vonjy aina Nalaina tamin’ny angidimby ilay zandary marary

Voatery noentina angidimby avy any Ampasinambo Mananjary niakatra aty an-drenivohitra ny zandary iray mpiana-draharaha marary mafy nolazoin’ny aretina, efa telo herinandro mahery izao.
Tonga, omaly, teny Betongolo ny angidimby nitondra azy ka noentina avy hatrany notsaboina eny amin’ny hopitaly Miaramila Soavinandriana. “Tohin’ny ezaka efa natao araka ny voalazan’ ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria manoloana ny fitsinjovana manokana ny zandary tratry ny tsy fahasalamana izao fihetsika izao”, araka ny fanazavana avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra