Tranga samihafa

TSy fandriampahalemana Nisy nanary teny an-dalana ny môtô roa halatra

Nirifatra nandositra, vantany vao nahatazana ny polisy, ny lehilahy telo nanosika môtô « scooter » roa teny Mandroseza, ny marainan’ny sabotsy lasa teo. Navelan’izy ireo teo ireo kodiaran-droa.
Fantatra fa halatra ireto môtô roa ireto.

«Nanao hetsika manokana izahay manoloana ny fitarainana maro voaray momba ny halatra môtô ety amin’ny fari-piadidianay. Nandeha fiara nanao fisafoana ny polisy no nifanena tamin’ireo lehilahy telo ireo, tamin’io sabotsy io », hoy ny polisy eny amin’ny Kaomisaria Ambohijatovo.

Nivoaka ny mpanao fisafoana rehefa nahita ny môtô navelan’ireo andian-dehilahy niaraka tamin’ny kitapo iray. Nahitana karazana fitaovana famakiana trano sy akanjo ary finday iray tao anatiny. Tamin’ny alalan’io finday io no nahatrarana ny iray tamin’ireo telo lahy nandositra. Tratra ihany koa, taorian’izay, ny lehilahy roa voatondro ho mpivarotra ny môtô halatra.